Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 6-8

Niharam-pitsapana Ilay Fiangonana Kristianina Vao Niforona

Niharam-pitsapana Ilay Fiangonana Kristianina Vao Niforona

6:1-7; 7:58–8:1

Anisan’ireo nijanona ela kokoa tao Jerosalema ireo mpitondratena miteny grika. Navakavahana anefa izy ireo. Ho tafintohina ve izy ireo, sa hiandry an’i Jehovah mba handamina an’ilay olana?

Nenjehina mafy ny Kristianina tao Jerosalema taorian’ny namonoana an’i Stefana. Nandositra tany amin’ny faritr’i Jodia sy Samaria àry izy ireo. Tsy ho sahy hitory intsony ve izy ireo?

Nanampy an’ilay fiangonana vao niforona i Jehovah. Nahavita niaritra àry izy io sady niroborobo.—As 6:7; 8:4.

SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no ataoko rehefa miatrika zava-tsarotra aho?’