Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Fitoriana Amin’ny Faritany Misy Olona Mampiasa Fiteny Samy Hafa

Fitoriana Amin’ny Faritany Misy Olona Mampiasa Fiteny Samy Hafa

Nisy “Jiosy avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra” tonga tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:5, 8) Azo inoana fa nahay teny hebreo na grika izy ireo, nefa nataon’i Jehovah izay handrenesan’izy ireo ny vaovao tsara tamin’ny fiteny nahazatra azy. Vonona hihaino kokoa mantsy ny olona rehefa itoriana amin’ny fiteniny. Samy hafa fiaviana koa ny olona ao amin’ny faritany sasany amin’izao. Fiangonana maromaro mampiasa fiteny samy hafa àry no indray miasa amin’ilay faritany. Mila mahay miara-miasa ireny fiangonana ireny, mba ho voasa tsara ilay faritany nefa tsy hifanitsaka. Mety ho sosotra mantsy ny olona raha mifandimby mitory ao aminy ny mpitory amin’ny fotoana anankiray. Inona àry no azo atao?

  • Miezaha hifampiresaka (Oh 15:22): Mila jerena hoe inona no fomba tsara indrindra hiasana an’ilay faritany. Ny mpiandraikitra ny fanompoana amin’ireo fiangonana miasa an’ilay faritany no handinika an’izany. Mety ho tian’ny fiangonana iray, ohatra, raha dinganintsika ny trano misy olona mampiasa an’ilay fiteny itorian-dry zareo. Mety havelany hitoriantsika ihany anefa izy ireny, raha midadasika be ny faritaniny. Mila ampahafantarina azy ireo fotsiny raha misy liana. (od 93 § 37) Mety hasain’ny fiangonana sasany hojerentsika koa hoe aiza ao amin’ilay faritany no misy olona mampiasa ny fitenin-dry zareo. Alefa any aminy fotsiny avy eo ny adiresin’ilay olona. (km 7/12 5, efajoro) Mila manaraka ny lalàna eo an-toerana anefa ny fiangonana, rehefa manome ny mombamomba an’ilay olona. Tadidio koa fa mety hisy olona samy hafa fiteny ao amin’ny trano iray.

  • Mahaiza miara-miasa (Ef 4:16): Araho tsara ny toromarika omen’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Raha fiteny hafa no mahazatra ny olona ampianarinao Baiboly, dia tsara raha afindra amin’izay fiangonana na antoko-mpitory mampiasa an’ilay fiteny izy. Mety handroso haingana kokoa izy amin’izay.

  • Miomàna mialoha (Oh 15:28; 16:1): Ahoana raha sendra olona mampiasa fiteny hafa ianao rehefa mitory isan-trano? Miezaha manao izay vitanao. Afaka miomana mialoha koa anefa ianao. Fantaro hoe inona ny fiteny ampiasain’ireo vahiny ao amin’ny faritaninareo, dia makà Baiboly sy video ao amin’ny jw.org. Afaka mampiasa ny programa JW Language koa ianao, mba hianarana fomba fiarahabana amin’ny fiteny samihafa.