Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 1-3

Nilatsaka Tamin’ny Fiangonana Kristianina ny Fanahy Masina

Nilatsaka Tamin’ny Fiangonana Kristianina ny Fanahy Masina

2:1-8, 14, 37, 38, 41-47

Betsaka ny Jiosy tonga tao Jerosalema, tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:9-11) Maro tamin’izy ireo no avy any an-tany hafa, ary mety hoe efa tany foana izy ireo no nipetraka hatramin’izay niainany. (Je 44:1) Tsy nitovy tamin’ny an’ny Jiosy mihitsy àry ny paoziny sy ny fiteniny, na dia nankatò ny Lalàn’i Mosesy aza izy ireo. Olona 3000 no natao batisa tamin’io fotoana io, ka lasa nisy olona avy amin’ny firenena samihafa teo anivon’ny fiangonana. “Tao amin’ny tempoly foana izy ireo isan’andro sady niray saina”, na dia tsy nitovy fiaviana aza.—As 2:46.

Ahoana no azonao ampisehoana fa mitady izay hahasoa an’ireo...

  • teratany vahiny ao amin’ny faritaninareo ianao?

  • teratany vahiny eo anivon’ny fiangonanareo ianao?