Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Novambra 2017

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Iza no tena afaka manome antsika ny fanomezana tsara indrindra?

Andinin-teny: Jk 1:17

Atolory ilay izy: Misy fanomezana iray faran’izay tsara nomen’Andriamanitra antsika. Hanampy antsika hankasitraka azy io ity gazety ity.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Iza no anaran’Andriamanitra?

Andinin-teny: Sl 83:18

Ny Tena Marina: Jehovah no anaran’Andriamanitra.

TIANAO HO SAMBATRA VE NY FIANAKAVIANAO?

Fampidiran-dresaka: Mba tianay haseho anao ity video fohy ity. Momba ny fianakaviana ilay izy. [Alefaso ny video fanolorana ny bokikely Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?]

Atolory ilay izy: Azoko omena an’ilay bokikely noresahin’ilay video teo ianao, raha tianao ny hamaky azy, na atoroko anao ny fomba akana an’io bokikely io ao amin’ilay tranonkala.

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.