Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Manaova Fiverenana Mitsidika

Hatsarao ny Fanompoanao: Manaova Fiverenana Mitsidika

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Mitady ny marina momba an’Andriamanitra ireo liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Is 55:6) Tsy maintsy miverimberina any aminy àry isika, raha te hampianatra azy ireny. Tsy mitovy ny olana atrehin’ny olona, ka arakaraka izay no anampiantsika azy. Hahomby kokoa anefa isika raha miomana tsara, sady manana tanjona isaky ny mitsidika azy. Ny hanomboka fampianarana Baiboly no tena tanjontsika.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Miverena haingana araka izay azo atao, angamba afaka andro vitsivitsy.​—Mt 13:19

  • Miezaha ho sariaka sy hanaja ary ho tony

  • Arahabao tsara ilay olona. Tonony ny anarany. Ampahatsiahivo azy ny antony iverenanao, ohatra hoe mba hamaly fanontaniana, hanatitra ny gazety farany, handefa video, hampiseho ny tranonkalantsika na ny fomba fianarana Baiboly. Raha zavatra hafa anefa no mahaliana azy, dia ampifanaraho amin’izay ny foto-kevitrao.​—Fi 2:4

  • Tondrahy ny voan’ny fahamarinana nafafy tao am-pony, izany hoe iresaho hevitra ara-baiboly izy ary omeo boky na gazety raha ilaina. (1Ko 3:6) Miezaha hifankahazo tsara aminy

  • Lazao aminy hoe inona indray no horesahinareo amin’ny manaraka