Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miambena Foana ary Mazotoa Manompo, na Miova aza ny Toe-javatra Misy Anao

Miambena Foana ary Mazotoa Manompo, na Miova aza ny Toe-javatra Misy Anao

Tsy maintsy miatrika fiovana isika, indrindra amin’izao andro farany izao. (1Ko 7:31) Mety hanelingelina ny fanompoantsika anefa ny fiovana, na tsara na ratsy, ary na efa ampoizintsika na tsia. Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah koa izy ireny. Inona àry no hanampy antsika hiambina foana sy hazoto hanompo na dia miatrika fiovana aza? Jereo ilay video hoe Miezaha Hatanjaka Ara-panahy Foana na Mifindra Toerana Aza, ary valio ireto:

  • Inona no torohevitra nomen’ny rahalahy iray an’ilay raim-pianakaviana?

  • Ahoana no nampiharan’ilay fianakaviana ny toro lalana ao amin’ny Matio 7:25?

  • Inona no nataon’ilay fianakaviana mialoha, ary nanampy azy ireo ve izany?

  • Inona no nanampy an’ilay fianakaviana ho zatra an’ilay fiangonana sy faritany vaovao?

Eritrereto izao:

Inona no fiovana lehibe natrehiko tato ho ato?

Ahoana no azoko ampiharana an’ireo toro lalana tao amin’ilay video?