Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Lesona avy Amin’ny Bokin’i Jona

Lesona avy Amin’ny Bokin’i Jona

Nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Teniny ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana, mba hakantsika lesona. (Ro 15:4) Inona no ianaranao avy amin’ny bokin’i Jona? Jereo ilay video hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana: Mandraisa Lesona avy Amin’ny Famindram-pon’i Jehovah Hoatran’i Jona, ary valio ireto:

  • Inona avy ny olana natrehin’ireo mpitory telo tao amin’ilay video?

  • Nahoana no mampahery antsika ny bokin’i Jona, raha nahazo fananarana isika na namoy tombontsoam-panompoana? (1Sa 16:7; Jo 3:1, 2)

  • Nahoana ny tantaran’i Jona no manampy antsika hitadidy fa mbola afaka miova ny olona ao amin’ny faritanintsika? (Jo 4:11; Mt 5:7)

  • Nahoana no mampahery antsika ny tantaran’i Jona raha manana aretina mitaiza isika? (Jo 2:1, 2, 7, 9)

  • Tsapanao ve hoe tena ilaina ny mamaky sy misaintsaina ny Baiboly, rehefa avy nijery an’iny video iny ianao? Hazavao.