Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA NOVAMBRA 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Ampiasana ny Boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

Ahoana no Ampiasana ny Boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?

Mitovitovy ihany ny boky Ampianarina sy ny boky Ianarana. Mitovy ny hevitra resahiny sy ny filaharan’ny toko ao anatiny. Tsotra kokoa anefa ny teny sy ny fanazavana ao amin’ny boky Ianarana. Natao ho an’izay tsy dia mahazo ny boky Ampianarina izy io. Tsy misy an’ilay hoe Fanazavana Fanampiny ao fa hoe Fanamarihana, izay misy fanazavana tsotsotra an’ireo teny sy hevitra sasany ao amin’ilay boky. Tsy misy fanontaniana eo am-piandohan’ny toko tsirairay. Tsy misy famerenana koa any amin’ny faran’ny toko, fa famintinana an’ireo hevitra tao amin’ilay toko. Azo atolotra foana ny boky Ianarana, na dia tsy anisan’ny zavatra atolotra amin’ny volana aza, toy ny boky Ampianarina ihany. Ahoana no ampiasana an’ireo lafiny mampiavaka azy io, rehefa mampianatra Baiboly?

FAMINTINANA: Mety tsara amin’ny olona maro mianatra amin’ny boky Ampianarina ilay hoe vakina ny fehintsoratra, ary avy eo apetraka ny fanontaniana. Misy mpianatra anefa tsy dia mahay ny fiteny ampiasaintsika, na tsy mahay mamaky teny tsara. Ahoana àry no hatao? Azonao ampiasaina ny boky Ianarana. Azo iarahana midinika ny famintinana ny toko tsirairay, fa asaina vakiny samirery kosa ilay toko manontolo. Fahefatr’adiny eo ho eo matetika dia voadinika ny hevitra tsirairay ao amin’ireo famintinana. Tsy misy tsipiriany toy ny fanazavana hita ao amin’ilay toko anefa izy ireo. Tsy maintsy manomana tsara àry ny mpitory, sady mitadidy an’izay ilain’ny olona ampianariny. Raha ilay toko kosa no iarahana midinika amin’ilay mpianatra, dia azo atao famerenana ny famintinana.

FANAMARIHANA: Misesy arakaraka ny isehoany ao amin’ireo toko ny teny sy hevitra hazavaina ao. Ilay mpitory no mahita raha tokony hodinihina miaraka amin’ilay mpianatra na tsia ny fanamarihana ao amin’ny boky Ianarana.