Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Desambra 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 1-5

“Andao Isika Hiakatra ho any An-tendrombohitr’i Jehovah”

“Andao Isika Hiakatra ho any An-tendrombohitr’i Jehovah”

2:2, 3

“Izao no tsy maintsy hitranga any am-parany”

Amin’izao androntsika izao

“Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”

Ny fivavahana marina amin’i Jehovah

“Hitanjozotra ho any ny firenena rehetra”

Hiara-manompo an’i Jehovah ireo manaraka ny fivavahana marina

“Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah”

Manasa ny hafa hiaraka aminy ny tena mpivavaka

“Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika”

Mampianatra antsika amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah, ary manampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly azy

2:4

“Tsy hianatra ady intsony”

Miezaka ho tia fihavanana ny vahoakan’i Jehovah, satria nilaza i Isaia fa havadika ho fitaovam-pamokarana ny fitaovam-piadiana. Inona ireo fitaovam-pamokarana ireo?

“Ny sabany ho angadinomby”

1 Fitaovana manisy soritra hoatran’ny tatatra kely amin’ny tany ny angadinomby. Vita tamin’ny varahina na halimo ny sasany.—1Sa 13:20

“Ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka”

2 Mety ho fitaovana nisy lelany maranitra sady nisy tahony ny antsy fandrantsanam-boaloboka. Mitovitovy amin’ny antsy fijinjana izy io.—Is 18:5