Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Desambra 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha Hanohina ny Fo Rehefa Mampianatra Amin’ny Boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

Miezaha Hanohina ny Fo Rehefa Mampianatra Amin’ny Boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Tsy maintsy mianatra sy mampihatra an’ireo fitsipik’i Jehovah ny olona iray, vao ankasitrahany. (Is 2:3, 4) Manampy ny mpianatra Baiboly hampihatra ny toro lalan’i Jehovah eo amin’ny fiainany andavanandro ny boky “Fitiavan’Andriamanitra.” (He 5:14) Mila miezaka manohina ny fony àry isika rehefa mampianatra amin’io boky faharoa io. Handrisika azy hanao fanovana izany.—Ro 6:17.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Manomàna tsara sady eritrereto izay ilain’ny olona ampianarinao. Anontanio ny heviny rehefa mampianatra azy, mba hahalalana an’izay ao an-tsainy sy ao am-pony.—Oh 20:5; be 259

  • Ampiasao ireo efajoro ao amin’ilay boky, mba hahitan’ilay mpianatra fa mahasoa ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly

  • Ampio izy hampiasa ny feon’ny fieritreretany, fa aza manapa-kevitra eo amin’ny toerany.—Ga 6:5

  • Fantaro raha mila ampiana izy mba hampihatra toro lalana sasany. Ampirisiho koa izy hanao fanovana, noho izy tia an’i Jehovah. Aoka anefa ianao hahay handanjalanja sy ho tsara fanahy.—Oh 27:11; Jn 14:31