Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mandresy ny Fanavakavahana ny Fampianaran’i Jehovah

Mandresy ny Fanavakavahana ny Fampianaran’i Jehovah

Tsy mizaha tavan’olona i Jehovah. (As 10:34, 35) Ekeny hanompo azy ny olona ‘avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.’ (Ap 7:9) Tsy tokony hisy hanavakavaka àry eo anivon’ny fiangonana kristianina. (Jk 2:1-4) Nampianarin’i Jehovah isika, ka niala tamin’ny toetra ratsintsika. Lasa afaka mankafy paradisa ara-panahy isika noho izany. (Is 11:6-9) Manahaka an’i Jehovah isika raha miezaka mafy manaisotra ny fanavakavahana ao am-pontsika.—Ef 5:1, 2.

JEREO ILAY VIDEO HOE JOHNY SY GIDEON: MPIFAHAVALO LASA MPIRAHALAHY. VALIO AVY EO IRETO FANONTANIANA IRETO:

  • Tsy mahafoana ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony ny ezaka ataon’ny olona. Nahoana anefa ny fampianaran’i Jehovah no mahavita an’izany?

  • Nahoana ianao no miaiky hoe toy ny mpirahalahy isika eran-tany?

  • Nahoana no mahazo voninahitra i Jehovah rehefa miray saina isika?