Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA DESAMBRA 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 11-16

Ho Feno Fahalalana An’i Jehovah ny Tany

Ho Feno Fahalalana An’i Jehovah ny Tany

Tanteraka tamin’ny Israelita io faminaniana io

  • Tsy nila natahotra bibidia na olona nanana toetram-biby izy ireo, na teny an-dalana hody avy tany Babylona izany na rehefa tonga tany amin’ny taniny.—Ezr 8:21, 22

Tanteraka ankehitriny io faminaniana io

  • Manova toetran’olona maro ny fahalalana an’i Jehovah. Na ireo nahery setra aza lasa tia fihavanana. Lasa tafaray ao amin’ny paradisa ara-panahy ny olona maro eran-tany satria mahalala an’i Jehovah

Ho tanteraka amin’ny hoavy io faminaniana io

  • Hovana ho paradisa ny tany manontolo, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Hilamina tsara ny fiainana amin’izay. Tsy hisy olona na biby haninona antsika intsony

Nanova an’i Paoly ny fahalalana an’Andriamanitra

  • Nanana toetram-biby izy, tamin’izy mbola Fariseo.—1Ti 1:13

  • Nanova ny toetrany ny fahalalana marina tsara.—Kl 3:8-10