Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Desambra 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ISAIA 6-10

Nanatanteraka Faminaniana ny Mesia

Nanatanteraka Faminaniana ny Mesia
FILAHARANY
Soratra
Sary

Naminany i Isaia, taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, fa hitory “any amin’ny faritr’i Jordana, dia i Galilian’ireo hafa firenena” ny Mesia. Tanteraka ilay faminaniana rehefa nitory ny vaovao tsara sy nampianatra eran’i Galilia i Jesosy.—Is 9:1, 2.

  • Nanao fahagagana voalohany izy. —Jn 2:1-11 (Kana)

  • Nifidy an’ireo apostoliny izy. —Mr 3:13, 14 (akaikin’i Kapernaomy)

  • Nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra izy.—Mt 5:1–7:27 (akaikin’i Kapernaomy)

  • Natsangany tamin’ny maty ny zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray. —Lk 7:11-17 (Naina)

  • Niseho tamin’ireo mpianany 500 teo ho eo izy rehefa avy natsangana tamin’ny maty.—1Ko 15:6 (Galilia)