Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Afaka Mahavita Zavatra Tsara Ianao na dia Manana “Tsilo ao Amin’ny Nofo” Aza

Afaka Mahavita Zavatra Tsara Ianao na dia Manana “Tsilo ao Amin’ny Nofo” Aza

Miaina amin’ny andro farany tsy mora setraina isika rehetra, ka mety hiatrika olana lehibe. (2Ti 3:1) Mila miantehitra amin’i Jehovah isika raha te hahavita hiatrika azy ireny. Nanao an’izany, ohatra, i Talita Alnashi sy ny ray aman-dreniny. Jereo ilay video hoe “Hampahiratina ny Mason’ny Jamba”, ary valio ireto:

  • Manana “tsilo ao amin’ny nofo” i Talita. Inona ilay izy?

  • Inona ny fampanantenan’ny Baiboly manampy an’i Talita sy ny ray aman-dreniny tsy ho kivy?

  • Ahoana no nampisehoan’ny ray aman-drenin’i Talita fa niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo, taoriana kelin’ilay fandidiana?

  • Ahoana no ampiasan’ny ray aman-drenin’i Talita ny zavatra navoakan’ny fandaminana, mba hanampiana azy ho tia an’Andriamanitra?

  • Ahoana no ahitana hoe miezaka ny ho akaiky an’i Jehovah foana i Talita, na eo aza ilay ‘tsilo ao amin’ny nofony’?

  • Nahoana no mampahery anao ny modely omen’i Talita?