Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Nahazo Fanampiana Ireo Mpiara-manompo Tra-boina Tany Karaiba

Nahazo Fanampiana Ireo Mpiara-manompo Tra-boina Tany Karaiba

Inona no azontsika atao mba hampisehoana hoe tiantsika ireo mpiara-manompo tra-boina? Afaka manampy azy ireny isika, hoatran’ny nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Jn 13:34, 35) Nisy rahalahy sy anabavy avy any amin’ny tany samihafa nanampy an’ireo mpiara-manompo tra-boina tany Karaiba. Jereo ilay video hoe Fanehoana Fitiavana: Fanampiana Tra-boina Tany Amin’ireo Nosy, ary valio ireto:

  • Inona no vokatry ny Rivo-doza Irma sy ny Rivo-doza Maria tamin’ireo rahalahintsika tany Karaiba?

  • Ahoana no ahitana hoe nampiasa an’ireo mpiara-manompo i Jehovah mba hanampiana an’ireo tra-boina?

  • Inona no tsapan’ireo tra-boina rehefa hitany ny fitiavana nasehon’ny mpiara-manompo?

  • Firy ny mpiara-manompo nandray anjara tamin’ny fanampiana an’ireo tra-boina tany Karaiba?

  • Inona no azontsika tsirairay atao mba hanampiana an’ireo mpiara-manompo tra-boina?

  • Rehefa avy nijery an’ilay video ianao, inona no tsapanao noho ianao anisan’ny fandaminana?