Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampio ny Zanakao mba ho Lasa Mpanara-dia An’i Kristy

Ampio ny Zanakao mba ho Lasa Mpanara-dia An’i Kristy

Faly tsy misy hoatr’izany ny ray aman-dreny kristianina, rehefa mahita ny zanany ‘mandà ny tenany ka mitondra ny hazo fijaliany ary manaraka’ an’i Jesosy “mandrakariva.” (Mr 8:34; 3Jn 4) Inona àry no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanaraka an’i Jesosy, hanokan-tena ho an’i Jehovah, ary hatao batisa? Ahoana no ahalalana hoe efa vonona hatao batisa ny zanakao?

Vakio ilay hoe “Ho An’ny Ray Aman-dreny Kristianina” eo amin’ny pejy 165-166 amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, ary valio ireto:

  1. Mila manao inona ny mpianatr’i Jesosy?

  2. Inona no tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany?

  3. Inona no azon’ny ankizy atao mba hampiharana an’ireto andinin-teny ireto, ka hahafeno fepetra hatao batisa?