Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JEREMIA 44-48

Aza “Mikatsaka Zavatra Lehibe ho Anao” Intsony

Aza “Mikatsaka Zavatra Lehibe ho Anao” Intsony

45:2-5

Azo inoana hoe olona ambony tao an-dapa i Baroka ary nahita fianarana. Nanompo an’i Jehovah izy ary nanampy an’i Jeremia foana. Nisy fotoana anefa i Baroka tsy nahay nandanjalanja. Nanomboka ‘nikatsaka zavatra lehibe’ mantsy izy. Angamba toerana ambonimbony kokoa tao an-dapa izany na harena. Nila nanova ny fomba fisainany izy raha te ho voavonjy, satria efa nadiva ho rava i Jerosalema.