Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA MEY 2016

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Araka ny hevitrao, mety ho tanteraka ve ity voalazan’ny Baiboly ity?

Andinin-teny: Ap 21:3, 4

Atolory ilay izy: Resahina ato amin’ity gazety ity hoe ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra an’io fampanantenana io, ary inona no soa ho azonao avy amin’izany.

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (pejy farany)

Fanontaniana: Ahoana ny hevitrao amin’ity fanontaniana ity? [Vakio ny fanontaniana voalohany sy ireo valiny azo isafidianana, eo amin’ny pejy 16.]

Andinin-teny: Sl 83:18

Atolory ilay izy: Resahina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny anaran’Andriamanitra.

AMPIANARINA

Fanontaniana: Misy mieritreritra hoe Andriamanitra no mitondra an’ity tontolo ity. Fantatrao ve anefa fa tsy mampianatra an’izany ny Baiboly?

Andinin-teny: 1Jn 5:19

Atolory ilay izy: Hazavaina ato amin’ity boky ity hoe inona marina no ampianarin’ny Baiboly momba an’izany, ary misy zavatra hafa resahina koa ato.

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.