Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA MEY 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JOBA 38-42

Faly i Jehovah Rehefa Mivavaka ho An’ny Hafa Isika

Faly i Jehovah Rehefa Mivavaka ho An’ny Hafa Isika

Nasain’i Jehovah nivavaka ho an’i Elifaza sy Bildada ary Zofara i Joba

42:7-10

  • Nasain’i Jehovah nandeha tany amin’i Joba i Elifaza sy Bildada ary Zofara, ary tsy maintsy nanao fanatitra dorana

  • Nasain’i Jehovah nivavaka ho azy ireo i Joba

  • Notahin’i Jehovah i Joba rehefa avy nivavaka ho azy ireo

Nomen’i Jehovah fitahiana be dia be i Joba satria nanam-pinoana sy nahavita niaritra

42:10-17

  • Nataon’i Jehovah salama tsara indray i Joba, ka tsy nijaly intsony

  • Nampahery an’i Joba ny havany sy ny namany, satria nalahelo azy noho ny fahoriana nahazo an’azy

  • Nataon’i Jehovah nanan-karena be indray i Joba, ary avo roa heny noho izay nafoiny teo aloha izany

  • Lasa nanan-janaka folo indray i Joba sy ny vadiny

  • Mbola velona 140 taona i Joba taorian’izay, sady nahita ny zanaky ny zafiafiny