Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA MEY 2016

2-8 Mey

JOBA 38-42

2-8 Mey
  • Hira 63 sy Vavaka

  • Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

  • Faly i Jehovah Rehefa Mivavaka ho An’ny Hafa Isika”: (10 min.)

    • Jb 42:7, 8: Nasain’i Jehovah nivavaka ho an’i Elifaza sy Bildada ary Zofara i Joba (w13 15/6 21 § 17; w98 1/5 30 § 3-6)

    • Jb 42:10: Nositranin’i Jehovah i Joba rehefa avy nivavaka ho azy ireo (w98 1/5 31 § 3)

    • Jb 42:10-17: Nomen’i Jehovah fitahiana be dia be i Joba satria nanam-pinoana sy nahavita niaritra (w94 15/11 20 § 19-20)

  • Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)

    • Jb 38:4-7: Iza ireo “kintan’ny maraina”, ary inona no fantatsika momba azy ireo? (bh 96 § 3)

    • Jb 42:3-5: Inona no azontsika atao raha te hahita an’Andriamanitra toa an’i Joba isika? (w15 15/10 8 § 16-17)

    • Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?

    • Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?

  • Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) Jb 41:1-26

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

  • Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Iaraho midinika hoe ahoana avy no azon’ny mpitory ampiasana fitaovana elektronika, ary resaho vetivety ilay lahatsoratra hoe “Ahoana avy no Azo Ampiasana ny JW Library?Ampahatsiahivo ny rehetra mba hanoratra ao amin’ny tatitra hoe impiry izy ireo no nampiseho video, teny amin’ny fanompoana. Ampirisiho ny mpitory hamorona fomba fitory mety aminy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

  • Hira 60

  • Efa Mampiasa JW Library ve Ianao?”: (15 min.) Iaraho midinika aloha ilay lahatsoratra, mandritra ny dimy minitra. Alefaso avy eo ilay video hoe Mampiasà “JW Library”, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Hoatr’izany koa atao amin’ilay video hoe Azo Atao ny Mampiditra Zavatra Isan-karazany sy ilay hoe Azonao Ovaovana ny Endrik’izay Zavatra Vakinao. Ampirisiho izay manana fitaovana elektronika mba hampiasa JW Library ka handika boky sy gazety, alohan’ny handinihana an’ilay lahatsoratra hoe “Ahoana avy no Azo Ampiasana ny JW Library?”, ny herinandron’ny 16 Mey.

  • Fianarana Baiboly: (30 min.) ia toko 14 § 14-22, famerenana

  • Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)

  • Hira 77 sy Vavaka