Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Mey 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 11-18

Iza no Hivahiny ao An-tranolain’i Jehovah?

Iza no Hivahiny ao An-tranolain’i Jehovah?

Naman’i Jehovah ny olona iray matoa mivahiny ao amin’ny tranolainy. Matoky sy mankatò an’Andriamanitra koa izy. Resahin’ny Salamo 15 hoe inona avy ny toetra tian’i Jehovah hananan’ny namany.

NY NAMAN’I JEHOVAH DIA TSY MAINTSY...

  • tsy mivadika

  • milaza ny marina ao am-pony

  • manaja ny mpanompon’i Jehovah hafa

  • mitana ny teniny, na dia sarotra aza izany

  • manampy an’izay sahirana nefa tsy mitady valiny

NY NAMAN’I JEHOVAH DIA TSY TOKONY...

  • hifosa sy hanendrikendrika

  • hanao ratsy amin’ny mpiray tanàna aminy

  • hanararaotra an’ireo mpiara-manompo

  • hinamana amin’ny olona tsy mankatò na tsy manompo an’i Jehovah

  • handray tsolotra