Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Mihainoa An’Andriamanitra?

Ahoana no Ampiasana ny Bokikely Mihainoa An’Andriamanitra?

Miresaka an’ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra. Natao hampianarana olona tsy dia mahay mamaky teny izy io. Pejy roa ny lesona tsirairay ary feno sary. Misy marika eo amin’ireo sary manondro hoe iza no sary tokony hodinihina manaraka.

Ireo sary ao amin’ny Mihainoa An’Andriamanitra ihany no ao amin’ilay hoe Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Be soratra kokoa anefa izy io, ka azo ampianarana olona mahay mamaky teny kokoa. Mpitory maro no tia mampiasa azy io, na dia mampiasa Mihainoa An’Andriamanitra aza ny olona ampianariny. Betsaka ny pejy misy efajoro ahitana fanazavana fanampiny. Azo iaraha-midinika amin’ilay mpianatra izy ireny, arakaraka ny fahaizany.

Azo atolotra foana ny iray amin’ireo bokikely ireo, na dia tsy zavatra atolotra amin’ny volana aza. Ampiasao ny sary rehefa mampianatra, mba hanazavana ny tantara ao amin’ny Baiboly. Mametraha fanontaniana mba ho afaka handray anjara ilay mpianatra. Ho hita koa amin’izay raha azony ny fianarana. Vakio sy hazavao ny andinin-teny eo amin’ny faran’ny pejy. Rehefa vita ilay bokikely, dia ampiasao indray ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? Hanampy an’ilay mpianatra handroso ho amin’ny batisa izany.