Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA MARTSA 2016

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Asa raha efa hainao ity andinin-teny ity? Betsaka ihany mantsy ny olona efa mahay azy.

Andinin-teny: Jn 3:16

Atolory ilay izy: Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana i Jesosy no nijaly sy maty, ary inona ny soa ho azonao amin’izany.

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (pejy farany)

Fanontaniana: Ahoana ny hevitrao amin’ity fanontaniana ity? [Vakio ny fanontaniana voalohany sy ireo valiny azo isafidianana.]

Andinin-teny: Mt 4:1-4

Atolory ilay izy: Tena misy ny Devoly, fa tsy toetra ratsy fotsiny akory, matoa izy afaka niresaka tamin’i Jesosy sy naka fanahy azy. Hazavain’ny Baiboly izay tokony ho fantatsika momba ny Devoly, ary izany no resahin’ity lahatsoratra ity.

FANASANA FAHATSIAROVANA

Atolory ilay izy: Mizara an’ity fanasana ity izahay, satria misy fotoan-dehibe iray tianay hanasana anao. [Omeo azy ilay fanasana.] Olona an-tapitrisany eran-tany no hiaraka hivory, amin’ny 23 Martsa, mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Hisy lahateny ara-baiboly amin’io, hanazava hoe inona ny soa azontsika, noho i Jesosy maty ho antsika. Efa voalaza ato ny ora sy ny toerana hanaovana an’izany. Maimaim-poana ilay izy. Mba tongava raha afaka ianao.

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.