Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

MIFOHAZA!

Fanontaniana: Boky avy amin’Andriamanitra ve ny Baiboly? Sa hevitr’olombelona fotsiny no ao anatin’izy io?

Andinin-teny: 2Ti 3:16

Atolory ilay izy: Resahin’ity gazety ity fa tena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ary misy porofo telo manamarina an’izany ato.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Ahoana no tokony hiheverantsika ny aina?

Andinin-teny: Ap 4:11

Ny Tena Marina: Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina ka tokony hohajaina. Ataontsika izay hisorohana loza, sady tsy hanao fanahy iniana hamono olona mihitsy isika. Sarobidy amintsika mantsy ny aina.

INONA NO TENA MAHASAMBATRA NY FIANAKAVIANA? (T-32)

Fanontaniana: Misy fanontaniana eto amin’ny fonon’ity taratasy mivalona ity, dia misy valiny azo isafidianana eo. Ahoana ny hevitrao?

Andinin-teny: Lk 11:28

Atolory ilay izy: Resahin’ity taratasy mivalona ity hoe inona no vokatr’izany eo amin’ny fianakavianao, ary nahoana no azo inoana izay lazain’ny Baiboly.

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.