Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Jona 2017

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JEREMIA 51-52

Tanteraka Amin’ny An-tsipiriany ny Tenin’i Jehovah

Tanteraka Amin’ny An-tsipiriany ny Tenin’i Jehovah

Noresahin’i Jehovah tamin’ny an-tsipiriany ny zavatra mbola hitranga

Mpandefa zana-tsipìka anisan’ny mpiambina ny mpanjakan’i Persa

“Ataovy maranitra ny zana-tsipìka”

51:11, 28

  • Mpandefa zana-tsipìka mahay ny Medianina sy Persianina, ary ny tsipìka no fitaovam-piadiana tena nampiasainy. Nataon’izy ireo maranitra tsara ny zana-tsipìkany mba hilentika lalina kokoa

“Tsy niady intsony ireo lehilahy mahery tao Babylona”

51:30

  • Hoy ny Tantaran’i Nabonida: ‘Tafiditra tao Babylona ny tafik’i Kyrosy, nefa tsy nila niady akory.’ Mifanaraka tsara amin’ny faminanian’i Jeremia izany

Tantaran’i Nabonida

“Ho lasa korontam-bato miavosa” i Babylona ary “ho lao tanteraka ... mandritra ny fotoana tsy voafetra”

51:37, 62

  • Nihalefy ny lazan’i Babylona nanomboka tamin’ny 539 T.K. Nikasa hanao azy io ho renivohiny i Aleksandra Lehibe, saingy maty tampoka izy. Mbola nisy Jiosy nipetraka tao Babylona, tamin’ny taonjato voalohany A.K., ka nankany ny apostoly Petera. Rava tanteraka anefa izy io tamin’ny taonjato fahefatra, ary lasa aolo

Tanteraka àry ny faminanian’ny Baiboly. Inona no tokony ho vokatr’izany eo amiko?

 

Inona no azoko ampianarina ny hafa momba an’io faminaniana io?