Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Jona 2017

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Araho ny Fitsipik’i Jehovah Momba ny Fitondran-tena

Araho ny Fitsipik’i Jehovah Momba ny Fitondran-tena

I Jehovah Andriamanitra no mamaritra an’izay tsara sy ratsy ho an’ny olona. Milaza, ohatra, izy fa lehilahy iray sy vehivavy iray no tokony ho mpivady, ary tsy tokony hisaraka mihitsy izy ireo. (Mt 19:4-6, 9) Tsy ankasitrahany ny fitondran-tena maloto, na inona izany na inona. (1Ko 6:9, 10) Manome toro lalana momba ny fitafiana sy taovolo mihitsy aza izy, mba hiavaka ny vahoakany.—De 22:5; 1Ti 2:9, 10.

Maro izao no tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah. (Ro 1:18-32) Manaraka ambokony an’izay lamaody be mpitia izy ireo, sady manahaka ny fitondran-tenan’ny ankamaroan’ny olona. Maro koa no tsy manafina intsony ny ratsy ataony, ary manakiana an’izay tsy te hanao hoatr’azy.—1Pe 4:3, 4.

Tokony ho be herim-po isika Vavolombelon’i Jehovah, ka hanaraka ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. (Ro 12:9) Tokony hampahafantarintsika hoe inona no ankasitrahany, sady hahay handanjalanja isika rehefa manao izany. Mila manaraka an’ireny fitsipika ireny foana koa isika. Eritrereto, ohatra, izao rehefa mifidy akanjo na taovolo: ‘Ny fitsipik’i Jehovah sa ny fanaon’ity tontolo ity no mibaiko ny safidiko? Hita amin’ny paoziko ve fa Kristianina matahotra an’i Jehovah aho?’ Eritrereto koa izao rehefa hijery filma na fandaharana hafa: ‘Ankasitrahan’i Jehovah ve ity zavatra hojereko ity? Ny fitsipik’iza no tena ampirisihiny arahina? Sao dia hahatonga ahy haloto fitondran-tena ny fialam-boly fidiko? (Sl 101:3) Mety hanafintohina ny fianakaviako na ny olon-kafa ve ilay izy?’—1Ko 10:31-33.

Nahoana no zava-dehibe ny manaraka ny fitsipik’i Jehovah? Tsy ho ela i Kristy Jesosy dia handringana an’ireo firenena sy izay rehetra manao ratsy. (Ezk 9:4-7) Ireo manao ny sitrapon’Andriamanitra ihany no ho tafavoaka velona. (1Jn 2:15-17) Aoka àry isika hanaraka ny fitsipik’i Jehovah, ka ho tsara fitondran-tena foana. Amin’izay dia hanome voninahitra azy ny olona mahita izany.—1Pe 2:11, 12.

Ny fitsipik’iza no arahiko rehefa mifidy akanjo na taovolo aho?

JEREO ILAY VIDEO HOE ATAOVY NAMANAO I JEHOVAH: LEHILAHY IRAY SY VEHIVAVY IRAY, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no hendry isika raha manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena?

  • Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hampianatra ny fitsipik’i Jehovah an’ireo zanany, dieny mbola kely izy ireo?

  • Inona no azon’ny tanora sy ny olon-dehibe atao mba hanampiana ny olona handray soa avy amin’ireo fitahiana homen’Andriamanitra amin’ny hoavy?