Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Jona 2017

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mahafinaritra Anao ve ny Mitory ny Vaovao Tsara?

Mahafinaritra Anao ve ny Mitory ny Vaovao Tsara?

Sarotra aminao ve ny mitory? Maro amintsika no hamaly hoe eny. Nahoana? Satria tsy liana na manohitra angamba ny olona ao amin’ny faritanintsika, na isika mihitsy no matahotra hiresaka amin’ny olon-tsy fantatra. Mety tsy dia ho faly intsony àry isika. Andriamanitra falifaly anefa no tompointsika, ka tiany ho faly isika rehefa manompo azy. (Sl 100:2; 1Ti 1:11) Tokony hahafinaritra antsika ny mitory, noho ireto antony telo ireto:

Voalohany, hafatra manome fanantenana no torintsika. Tsy manantena hoavy tsara ny olona, nefa azontsika ampiana mba hahalala ny “vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa.” (Is 52:7) Tena mahafaly antsika koa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Saintsaino àry ny fitahiana hoentin’io Fanjakana io, alohan’ny handehanana hitory!

Faharoa, mahasoa ny olona ny vaovao tsara torintsika. Manampy azy ireo hiala amin’ny fahazaran-dratsy izy io. Lasa afaka manantena ny hiaina mandrakizay koa izy ireo. (Is 48:17, 18; Ro 1:16) Azo oharina amin’ny famonjena olona tratran’ny loza voajanahary ny asantsika. Na dia misy olona tsy te hovonjena aza, dia manohy mikaroka an’ireo te ho voavonjy isika.—Mt 10:11-14.

Fahatelo, manome voninahitra an’i Jehovah ny fitoriantsika, ary izay no tena zava-dehibe. Sarobidy aminy ny asa fitoriana ataon’ny Vavolombelony. (Is 43:10; He 6:10) Manome fanahy masina be dia be ho antsika koa izy, mba hahavitantsika an’io asa io. Iangavio àry izy mba hanome anao fifaliana, izay vokatry ny fanahy masina. (Ga 5:22) Hanampy anao tsy hitebiteby sy ho sahy hitory izy. (As 4:31) Hahafinaritra anao foana amin’izay ny mitory, na mandray ny olona na tsia.—Ezk 3:3.

Inona ny toe-tsaina tianao hananana rehefa manompo? Ahoana no ampisehoanao hoe falifaly ianao?

JEREO ILAY VIDEO HOE HO FALY INDRAY IANAO RAHA MIANATRA SY MISAINTSAINA, ARY VALIO IRETO:

  • Nahoana no tokony hataontsika loha laharana ny fianarana Baiboly, na dia ora maro aza no lanintsika itoriana isam-bolana?

  • Ahoana no anahafantsika an’i Maria?

  • Isaky ny inona ianao no misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra?

  • Inona no mahafinaritra anao rehefa mitory ny vaovao tsara?