Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JONA 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 52-59

“Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao”

“Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao”

Be dia be ny zavatra nahakivy efa niainan’i Davida. Ireto avy no efa niaretany, tamin’izy nanoratra ny Salamo 55:

  • Nisy naneso sy nanambany

  • Nenjehin’ny fahavalo

  • Nenjehin’ny eritreritra

  • Olana tao amin’ny fianakaviana

  • Narary mafy

  • Nisy namadika

Vitan’i Davida foana anefa ny niaritra, na faran’izay mafy aza ny nanjo azy. Izao koa no toroheviny ho an’izay miaritra ny mafy: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao.”

Ahoana no hampiharantsika an’izany?

55:22

  1. Mivavaha amin’i Jehovah ka lazao azy daholo izay olana mahazo anao na izay mampiady saina anao

  2. Mitadiava fanampiana sy torohevitra ao amin’ny Tenin’i Jehovah sy ao amin’ny zavatra avoakan’ny fandaminana

  3. Ataovy izay azonao atao mba hamahana an’ilay olana, nefa araho foana ny toro lalan’ny Baiboly