Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Jona 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Zato Taona Ilay Fanjakana ary Mbola Hitohy ny Fitondrany

Zato Taona Ilay Fanjakana ary Mbola Hitohy ny Fitondrany

Te ho anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ve ianao? Ilainao àry ny mianatra momba an’io Fanjakana io sy izay efa nataon’izy io. Nahoana? Satria vao mainka ianao hino hoe efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, sady hazoto hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Sl 45:1; 49:3) Jereo àry ilay video hoe Zato Taona Ilay Fanjakana ary Mbola Hitohy ny Fitondrany, ka tadiavo ny valin’ireto:

  1. Nahoana ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” no tena nahasoa an’izay nahita azy io?

  2. Ahoana no nampiasana ny radio mba hitoriana ny vaovao tsara?

  3. Inona koa ny fomba fitory nampiasaina taloha, ary inona ny vokany?

  4. Ahoana no ahitana fa nihatsara ny fampiofanana azon’ny mpitory?

  5. Inona ny fampiofanana nomena an’ireo mpianatry ny Sekolin’i Gileada?

  6. Nampianatra ny vahoakany hanao inona i Jehovah tamin’ireo fivoriambe?

  7. Nahoana ianao no miaiky hoe tena efa mitondra ilay Fanjakana?

  8. Inona no ataontsika raha tena miandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika?