Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | 1 TESALONIANINA 1-5

“Mifampionòna sy Mifampahereza Hatrany”

“Mifampionòna sy Mifampahereza Hatrany”

5:11-14

Afaka mampahery ny hafa daholo isika. Mampahery ny mpiara-manompo, ohatra, isika rehefa tonga mivory sy mandeha manompo, na dia mety hoe ao “anatin’ny ady mafy” aza. Marary angamba isika na miatrika olana hafa. (1Te 2:2) Afaka manao teny mampahery ny mpiara-manompo koa isika, raha mieritreritra mialoha an’izay holazaintsika sy mikaroka hevitra mampahery.

Raha misy olona fantatrao hoe manana olana, aiza ianao no afaka mahita fanazavana hampaherezana azy?

Iza no tianao hampaherezina ao amin’ny fiangonanareo?