Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

15-21 Jolay

2 TESALONIANINA 1-3

15-21 Jolay
  • Hira 67 sy Vavaka

  • Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

  • Haharihary Ilay Lehilahy Tsy Tan-dalàna”: (10 min.)

    • [Alefaso ilay video Fampidirana ny 2 Tesalonianina.]

    • 2Te 2:6-8: Haharihary ilay lehilahy “tsy tan-dalàna”, izay efa niasa tamin’ny andron’i Paoly (it “Fahafoizan-tena ho An’Andriamanitra”: ‘Inona “ilay zava-miafina ny amin’ny fandikan-dalàna” noresahin’i Paoly?’)

    • 2Te 2:9-12: Hiharan’ny didim-pitsarana ireo voafitak’ilay lehilahy “tsy tan-dalàna” (it “Lainga” § 8)

  • Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)

    • 2Te 1:7, 8: Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe haharihary “ao amin’ny afo midedadeda” i Jesosy sy ireo anjely? (it “Afo”: “Fandringanana” § 2)

    • 2Te 2:2: Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ilay hoe “fanambarana avy amin’ny fanahy”? (it “Fanahy, avy Amin’ny”: “Fanambarana avy amin’ny fanahy” § 1)

    • Inona no nianaranao momba an’i Jehovah, tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

    • Inona koa ny harena miafina hitanao?

  • Famakiana Baiboly: (4 min. na latsaka) 2Te 1:1-12 (th lesona 10)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA