Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | LIOKA 10-11

Fanoharana Momba An’ilay Samaritanina Tsara Fanahy

Fanoharana Momba An’ilay Samaritanina Tsara Fanahy

10:25-37

Nilaza an’io fanoharana io i Jesosy, rehefa nisy nanontany azy hoe: “Fa iza marina moa no namako?” (Lk 10:25-29) Fantatr’i Jesosy mantsy fa ho lasa anisan’ny fiangonana kristianina ny “karazan’olona rehetra”, anisan’izany ny Samaritanina sy ny hafa firenena. (Jn 12:32) Nampianatra ny mpanara-dia azy àry izy hoe tokony ho tia ny olon-drehetra izy ireo, anisan’izany ny olona tsy mitovy fiaviana na kolontsaina amin’izy ireo.

SAINTSAINO IZAO:

  • ‘Ahoana no fiheverako an’ireo rahalahy sy anabavy tsy mitovy fiaviana amiko?’

  • ‘Izay mitovitovy amiko ihany ve no tena iarahako?’

  • ‘Vonona hifandray kokoa amin’ireo Kristianina tsy mitovy fiaviana na saranga amiko ve aho?’ (2Ko 6:13)

Iza no tiako hasaina mba...

  •  hanompo miaraka amiko?

  •  hisakafo any aminay?

  •  hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka aminay?