Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JOLAY 2016

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Araka ny hevitrao, hisy olona hahavita hanafoana ny Baiboly ve raha avy amin’Andriamanitra izy io?

Andinin-teny: Is 40:8

Atolory ilay izy: Hazavaina ato amin’ireto lahatsoratra ireto fa tena miavaka ny tantaran’ny Baiboly.

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (pejy farany)

Fanontaniana: Ahoana ny hevitrao momba an’ity? [Vakio ny fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy 16.] Misy miteny fa ny olona no namorona ny fivavahana. Ny hafa indray mieritreritra fa tian’Andriamanitra hahafantatra azy isika matoa nataony nisy ny fivavahana. Ahoana ny hevitrao?

Andinin-teny: Jk 1:27

Atolory ilay izy: Resahin’ity gazety ity ny hevitry ny Baiboly momba an’izany. Mbola te hiresaka an’ity lahatsoratra ity aminao aho amin’ny manaraka.

VAOVAO TSARA NATAO HO ANAO!

Fanontaniana: Misy miteny hoe hoatr’ireny mamaky vaovao amin’ny gazety ireny ny mamaky ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. Iza amin’ireto zavatra ireto no efa hitanao na henonao?

Andinin-teny: 2Ti 3:1-5

Atolory ilay izy: Hazavain’ity bokikely ity fa vaovao tsara izany ho an’ireo tia an’Andriamanitra. [Resaho ny lesona 1, fanontaniana 2.]

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.