Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JOLAY 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hahavita Hanompo Bebe Kokoa Ianao Raha Manana Fiainana Tsotra Foana

Hahavita Hanompo Bebe Kokoa Ianao Raha Manana Fiainana Tsotra Foana

Mora erỳ amin’izao ny manangona zavatra be dia be. Manasarotra fiainana anefa izany. Mandany fotoana sy hery mantsy ny mandeha miantsena, mividy zavatra, mampiasa sy mikojakoja an’ilay zavatra novidina, ary miaro an’ilay izy. Naleon’i Jesosy nanana fiainana tsotra mba ho afaka hifantoka amin’ny fanompoana.—Mt 8:20.

Afaka manatsotra ny fiainanao ve ianao mba ho afaka hanompo bebe kokoa? Afaka manao mpisava lalana ve, ohatra, ny iray aminareo ao an-trano? Inona no azonareo atao? Ary raha efa mpisava lalana ianao, sao dia lasa manasarotra ny fiainanao indray ianao ka tsy dia mifantoka amin’ny fanompoana intsony? Ho faly sy afa-po ianao raha manana fiainana tsotra.—1Ti 6:7-9.

Izao no Hataoko mba Hanatsorako ny Fiainako: