Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JOLAY 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 79-86

Iza ny Olona Ambony Indrindra Aminao?

Iza ny Olona Ambony Indrindra Aminao?

Velona tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka ilay Levita atao hoe Asafa, ary toa taranany no nanao ny Salamo 83. Nisy firenena maromaro nitady hanafika ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny fotoana nanoratana an’ilay salamo.

83:1-5, 16

  • Ny anaran’i Jehovah sy ny zony hitondra no tena noeritreretin’ilay mpanao salamo, fa tsy ny fomba hiarovana ny ainy

  • Misy manohitra foana koa ny mpanompon’Andriamanitra, ankehitriny. Manome voninahitra an’i Jehovah anefa isika rehefa miaritra sy tsy mivadika

83:18

  • Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany isika

  • Tokony hasehontsika amin’izay rehetra ataontsika fa i Jehovah no ambony indrindra amintsika