Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JOLAY 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 74-78

Tsarovy ny Zavatra Nataon’i Jehovah

Tsarovy ny Zavatra Nataon’i Jehovah

Tena ilaina ny misaintsaina ny zavatra tsara nataon’i Jehovah

74:16; 77:6, 11, 12

  • Ho haintsika tsara izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, rehefa misaintsaina azy io isika. Ho lasa tia sakafo ara-panahy koa isika

  • Rehefa misaintsaina momba an’i Jehovah isika, dia hotadidintsika foana ny zavatra mahagaga nataony sy izay nampanantenainy antsika

Ireto avy ny zavatra nataon’i Jehovah:

74:16, 17; 75:6, 7; 78:11-17

  • Namorona:

  • Ho tia sy hanaja kokoa an’i Jehovah isika, rehefa mianatra foana momba ny zavatra noforoniny

  • Nanendry lehilahy hitarika ny fiangonana:

  • Mila mankatò an’ireny olona notendren’i Jehovah ireny isika

  • Namonjy ny vahoakany:

  • Vao mainka isika matoky hoe te hikarakara ny mpanompony i Jehovah sady mahavita manao an’izany, rehefa mitadidy ny namonjeny ny vahoakany