Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JOLAY 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Mba Andramo Ange na dia Herintaona Fotsiny aza E!

Mba Andramo Ange na dia Herintaona Fotsiny aza E!

Fa inona izany? Hanao mpisava lalana maharitra. Handray soa be dia be ianao amin’izay. (Oh 10:22) Inona avy izany?

RAHA MANAO MPISAVA LALANA IANAO, DIA. . .

  • lasa mahay mitory, ka hahafinaritra anao kokoa ny manompo

  • vao mainka hifandray amin’i Jehovah. Isaky ny miresaka momba azy mantsy ianao, dia hahatsiaro an’ireo toetrany tena tsara

  • ho afa-po satria manao loha laharana an’ilay Fanjakana. Ho faly koa ianao fa manampy olona.—Mt 6:33; As 20:35

  • ho afaka hanatrika ny fivorian’ny mpisava lalana miaraka amin’ny mpiandraikitra ny faritra, sy ny fivorian’ny mpisava lalana alohan’ny fivoriamben’ny faritra, ary ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana

  • ho afaka hanomboka sy hitarika fampianarana Baiboly maro kokoa

  • hiaraka kokoa amin’ny mpitory hafa ka ho afaka hifampahery aminy.—Ro 1:11, 12