Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 21-22

“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”

“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”

21:8-14

Notarihin’ny fanahy masina ho any Jerosalema i Paoly, ary hogadraina sy hampahorina izy rehefa any. (As 20:22, 23) Tsy tian’ireo rahalahy hijaly izy ka nosakanan’izy ireo. Hoy anefa i Paoly: “Nahoana ianareo no mitomany sy manaketraka ny foko toy izao?” (As 21:13) Mahafoy tena koa ny rahalahy sy anabavy maro ka mampitombo ny fanompoany. Tsy tiantsika raha ny zavatra ataontsika na lazaintsika no mahatonga azy ireny ho kivy ka hiova hevitra.