Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 23-24

Nolazaina fa Nanakorontana sy Nampirisika ny Olona Hikomy

Nolazaina fa Nanakorontana sy Nampirisika ny Olona Hikomy

23:12, 16; 24:2, 5, 6, 10-21

“Niozona” ireo Jiosy tany Jerosalema fa tsy hihinana na hisotro izy ireo raha tsy efa matiny i Paoly. (As 23:12) Efa sitrapon’i Jehovah anefa ny hoe hitory any Roma izy. (As 23:11) Henon’ny zanak’anabavin’i Paoly ilay tetika nataon’ny Jiosy, ka noteneniny tamin’i Paoly. Rava àry ilay tetika. (As 23:16) Saintsaino io tantara io, ary valio ireto:

  • Inona no mitranga rehefa misy manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah?

  • Iza na inona no azon’i Jehovah ampiasaina mba hanampiana antsika?

  • Inona no ianarantsika momba ny herim-po?