Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Janoary 2018

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 4-5

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Toritenin’i Jesosy teo An-tendrombohitra?

5:3

Mahatsapa ve ianao hoe mila an’Andriamanitra?

Midika ara-bakiteny hoe “mpangataka fanahy” ny hoe “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.” Hita hoe maniry mafy hifandray amin’Andriamanitra isika rehefa . . .

  • mamaky Baiboly isan’andro

  • manomana fivoriana sy mivory tsy tapaka

  • mamaky an’ireo boky sy gazetintsika, ary mamaky ny lahatsoratra ao amin’ny jw.org rehefa afaka manao an’izany

  • mijery ny fandaharana isam-bolana ao amin’ny Tele JW

Inona no azoko atao mba hanatsarana ny fahazarako misakafo ara-panahy?