Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 10-11

Namelombelona ny Olona i Jesosy

Namelombelona ny Olona i Jesosy

11:28-30

“Mora entina ny ziogako”

Mpandrafitra i Jesosy, ka hainy ny nanamboatra zioga. Mety ho nofonosina lamba na hodi-biby izy io mba tsy dia harary ny vozon’izay mampiasa azy. Manaiky hitondra ny ziogan’i Jesosy na ho lasa mpianany isika rehefa atao batisa. Manaiky hanao asa sarotra sy hiantsoroka andraikitra samihafa àry isika. Velombelona anefa isika rehefa manao an’ireo ary mahazo fitahiana tondraka.

Inona avy ny fitahiana azonao rehefa nitondra ny ziogan’i Jesosy ianao?