Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Janoary 2018

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 8-9

Tia Olona i Jesosy

Tia Olona i Jesosy

Resahin’ny Matio toko 8 sy 9 ny ampahany amin’ny fanompoana nataon’i Jesosy tany Galilia. Nampiseho ny heriny i Jesosy rehefa nanasitrana olona. Hita koa anefa hoe nangoraka sy tena tia olona izy, ary izany no tena zava-dehibe.

  1. Nanasitrana boka iray i Jesosy.—Mt 8:1-3

  2. Nositraniny ny mpanompon’ny manamboninahitra iray. —Mt 8:5-13

    Nanasitrana ny rafozambavin’i Petera izy.—Mt 8:14, 15

    Namoaka demonia sy nanasitrana an’ireo narary izy. —Mt 8:16, 17

  3. Namoaka demonia faran’izay nahery setra i Jesosy, ary nandefa azy ireo tao amin’ny andian-kisoa.—Mt 8:28-32

  4. Nanasitrana olona iray nalemy i Jesosy.—Mt 9:1-8

    Nanasitrana vehivavy iray nikasika ny akanjony izy, ary nanangana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty.—Mt 9:18-26

    Nampahiratra ny jamba izy ary nanasitrana ny moana. —Mt 9:27-34

  5. Notetezin’i Jesosy ireo tanàna, na kely na lehibe, ary nositraniny ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra.—Mt 9:35, 36

Inona no azoko atao mba hampisehoana hoe mangoraka sy tia olona kokoa aho?