Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Janoary 2018

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 1-3

“Efa Manakaiky ny Fanjakan’ny Lanitra”

“Efa Manakaiky ny Fanjakan’ny Lanitra”

3:4

  • Hita tamin’ny fitafian’i Jaona sy ny fisehoany ivelany fa nanana fiainana tsotra izy, izany hoe nifantoka tanteraka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra

  • Nanana tombontsoa niavaka izy, satria nialoha lalana an’i Jesosy. Sarobidy lavitra noho ny sorona nataony izany

Ho afaka hanompo bebe kokoa sy ho afa-po isika, raha manana fiainana tsotra. Ahoana no atao raha te hanatsotra fiainana?

  • Fantaro izay tena ilainao

  • Aza mandany vola amin-javatra tsy ilaina

  • Manaova teti-bola mifanaraka amin’ny vola raisinao

  • Amidio na omeo olona na ario izay zavatra tsy ampiasainao

  • Aloavy ny trosanao

  • Ahenao ny fotoana iasanao, raha be loatra

Valala sy tantelidia no sakafon’i Jaona

Afaka manatratra an’ity tanjoko ity aho raha manana fiainana tsotra: