Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JANOARY 2017

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

NY TILIKAMBO FIAMBENANA

Fanontaniana: Misy mihevitra hoe efa lany andro ny Baiboly. Ny hafa kosa mieritreritra hoe mbola mahasoa izy io. Ahoana ny hevitrao?

Andinin-teny: 2Ti 3:16, 17

Atolory ilay izy: Misy torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly ato amin’ity gazety ity. Misy soso-kevitra hanampy anao ho tia mamaky Baiboly koa ato.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Efa akaiky ve ny fara andro?

Andinin-teny: Mt 24:3, 7, 14

Ny Tena Marina: Asehon’ny faminanian’ny Baiboly fa miaina amin’ny andro farany isika. Vaovao tsara anefa izany satria tsy ho ela dia ho tsara ny fiainana.

NISY NAMORONA VE IZAO REHETRA IZAO?

Fanontaniana: Nisy namorona ve izao rehetra izao sa tongatonga ho azy? Iza no hitanao hoe mitombina kokoa?

Atolory ilay izy: Maro no lasa mino hoe misy ny Mpamorona rehefa nahita porofo. Resahina ato ireny porofo ireny. Fa tiako horesahina aminao amin’ny manaraka ilay fanontaniana eo amin’ny pejy 29 hoe: “Mety daholo ve izay inoanao?

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.