Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JANOARY 2017

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

“Jehovah ô! ... Ianao no Itokisako”

“Jehovah ô! ... Ianao no Itokisako”

Ilaintsika foana ny mitoky amin’i Jehovah, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. (Sl 25:1, 2) Niatrika olana lehibe ny Jiosy tao Joda tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Mbola nitoky tamin’i Jehovah ve izy ireo tamin’izay? Betsaka no azontsika ianarana avy amin’izy ireo. (Ro 15:4) Ahoana àry no hamalianao an’ireto, rehefa avy nijery an’ilay video hoe “Jehovah ô! ... Ianao no Itokisako”?

  1. Inona ny olana lehibe natrehin’i Hezekia?

  2. Ahoana no nampiharany ny Ohabolana 22:3 rehefa fantany fa mety hatao fahirano i Jerosalema?

  3. Nahoana i Hezekia no tsy nanaiky hitolo-batana tamin’ny Asyrianina, na hanao fifanarahana tamin’i Ejipta?

  4. Nahoana no modely ho antsika Kristianina i Hezekia?

  5. Inona ny toe-javatra mety hampiharihary raha tena mitoky amin’i Jehovah isika na tsia?

Tiako raha mba mitoky kokoa amin’i Jehovah aho rehefa...