Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Janoary 2016

 NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Tombontsoa ny Manorina sy Mikarakara ny Toerana Fivavahantsika

Tombontsoa ny Manorina sy Mikarakara ny Toerana Fivavahantsika

Rehefa naorina ny tempoly, dia be dia be ny asa nila natao, ary tena lafo vidy ny fitaovana nilaina. Nazoto nanampy tamin’ilay tetikasa anefa ny Israelita. (1Ta 29:2-9; 2Ta 6:7, 8) Nila nikojakoja ny tempoly indray izy ireo rehefa vita ilay izy. Izany no nahitana hoe tia an’i Jehovah izy ireo na tsia. (2Mp 22:3-6; 2Ta 28:24; 29:3) Miezaka be koa ny Kristianina ankehitriny, manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ary manadio sy mikarakara azy ireny. Marina fa asa mafy izany sady mitaky fotoana be, kanefa tombontsoa ny miara-miasa amin’i Jehovah. (Sl 127:1) Anisan’ny fanompoana masina izany.—Ap 7:15.

INONA AVY NO AZONTSIKA ATAO?

  • Manadio kely isaky ny avy mivory. Tsimpony fotsiny ny fako eo ambany sezanao, raha tsy afaka manadio ianao.

  • Mandray anjara rehefa misy fanadiovana faobe sy fikojakojana Efitrano Fanjakana. Ny entan-jaraina mantsy, hono, mora zaka, sady mahafinaritra erỳ rehefa betsaka no mandray anjara.—lv 92 § 18.

  • Manokana vola hatao fanomezana. Na ‘vola madinika roa faran’izay kely vidy’ aza, dia mampifaly an’i Jehovah rehefa vokatry ny fo.—Mr 12:41-44.

  • Manolo-tena hanampy rehefa misy efitrano aorina na havaozina. Afaka mandray anjara ianao na dia tsy manana fahaizana manokana aza.