Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JANOARY 2016

4-10 Janoary

2 TANTARA 29-32

4-10 Janoary
  • Hira 114 sy Vavaka

  • Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

  • Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video voalohany Fanolorana Ny Tilikambo Fiambenana, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Asongadino izay nataon’ilay mpitory mba ho mora aminy ny hanao fiverenana mitsidika. Ataovy hoatr’izany koa ilay video faharoa, sy ilay video fanolorana ny bokikely Vaovao Tsara. Diniho koa ilay hoe “Ahoana no Fampiasa ny Bokikely Vaovao Tsara Rehefa Mampianatra?” Ampirisiho ny mpitory hamorona fomba fitory mety aminy.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

  • Hira 127

  • Tombontsoa ny Manorina sy Mikarakara ny Toerana Fivavahantsika”: (15 min.) Fiaraha-midinika. Anontanio izay efa nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, hoe inona no tena nahafaly azy tamin’ilay izy. Adinadino vetivety ilay rahalahy miandraikitra ny fanadiovana sy fikojakojana ny efitranonareo, hoe inona ny fandaharan’ny fiangonana momba an’izany.

  • Fianarana Baiboly: ia toko 6 § 1-14 (30 min.)

  • Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)

  • Hira 142 sy Vavaka

    Fampahatsiahivana: Alefaso indray mandeha aloha ny mozika, dia avy eo vao mihira ny fiangonana.