Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana  |  Janoary 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EZRA 6-10

Mila Olona Vonona sy Mazoto i Jehovah

Mila Olona Vonona sy Mazoto i Jehovah

Nanomana zavatra be dia be i Ezra, talohan’ny hiverenana tany Jerosalema

7:6, 22; 8:26, 27

  • Nahazo alalana tamin’i Artaksersesy Mpanjaka i Ezra, mba hiverina tany Jerosalema sy hampandroso ny fivavahana amin’i Jehovah

  • Nomen’ny mpanjaka an’i Ezra “izay rehetra nangatahiny” ho an’ny tranon’i Jehovah, anisan’izany ny volamena, volafotsy, varimbazaha, divay, menaka, ary sira, izay mitentina 420000 tapitrisa ariary mahery

Natoky i Ezra fa hiaro ny mpanompony i Jehovah

7:13; 8:21-23

  • Tena tsy mora ny niverina tany Jerosalema

  • Mety ho 1600 kilaometatra teo ho eo ilay lalana, sady mety hampidi-doza

  • Naharitra efa-bolana ilay dia

  • Nila herim-po sy finoana matanjaka ireo nanao an’ilay dia, sady tsy maintsy nafana fo ho an’ny fivavahana marina

NY ENTANA NENTIN’I EZRA:

Talenta volamena sy volafotsy 750 mahery na mitovy amin’ny lanjan’ny elefanta lehibe telo!

ZAVA-TSAROTRA TENY AN-DALANA:

Andian-jiolahy, tany ngazana be, bibidia masiaka