Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA JANOARY 2016

 HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EZRA 1-5

Mitana ny Teny Nataony i Jehovah

Mitana ny Teny Nataony i Jehovah
FILAHARANY
Sary
Soratra

Nampanantena i Jehovah fa hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana marina tany Jerosalema. Be dia be anefa ny vato misakana, rehefa tafaverina avy any Babylona ireo Jiosy babo. Nisy didy avy amin’ny mpanjaka, ohatra, nampijanona ny asa. Maro àry no natahotra hoe tsy ho vita ilay izy.

  1. t. 537 T.K.

    Namoaka didy i Kyrosy hoe azo aorina indray ny tempoly

  2. 3:3

    Volana fahafito

    Vita ny alitara, nanaovana fanatitra

  3. 3:10, 11

    536 T.K.

    Vita ny fototra

  4. 4:23, 24

    522 T.K.

    Najanon’i Artaksersesy Mpanjaka ny fanorenana

  5. 5:1, 2

    520 T.K.

    Nampirisika ny vahoaka hanohy an’ilay asa indray i Zakaria sy Hagay

  6. 6:15

    515 T.K.

    Vita ny tempoly