Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA SY NY FANOMPOANA: TARI-DALANA HO AN’NY FIVORIANA FEBROARY 2017

Fomba Fitory Modely

Fomba Fitory Modely

MIFOHAZA!

Fanontaniana: Hoatran’ny mihamaro foana izao ny tanora kivy be. Inona no mety ho vahaolana amin’izany, araka ny hevitrao?

Atolory ilay izy: Misy soso-kevitra hanampy an’ireo tanora kivy be ato. Resahina ato koa izay azon’ny ray aman-dreniny atao mba hanampiana azy ireo.

AMPIANARO NY TENA MARINA

Fanontaniana: Ahoana no hahasambatra ny mpivady?

Andinin-teny: Ef 5:33

Ny Tena Marina: Ho sambatra ny mpivady raha mifankatia sy mifanaja.

AHOANA NO NAMPISY ANTSIKA? FANONTANIANA DIMY MILA DINIHINA (lf)

Fanontaniana: Misy mieritreritra hoe nisy namorona isika. Ny hafa indray mihevitra hoe nivoatra miandalana. Iza amin’ireo no tokony hinoantsika?

Andinin-teny: He 11:1

Atolory ilay izy: Izay zavatra efa ‘voaporofo mazava’ no tokony hinoantsika, araka io andininy io. Mamaly fanontaniana dimy momba ny niandohan’ny olombelona ity bokikely ity, sady miresaka porofo marim-pototra momba izany.

MAMORÒNA FOMBA FITORY METY AMINAO

Mitadiava fanontaniana sy andinin-teny ary atolory ilay izy, toy ireo ohatra eo aloha ireo.